<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.F. Root</author>
<hymn_number>761</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso, Zoky be fitia !
 Avia, mitantàna
 Fandrao izahay maniasia
 Avilin'i Satana.
 Ry Jeso ô ! tahio izahay
 Fa mbola kely saina,
 He ! tsy mba hendry, tsy
 mahay
 Ka mora ambakaina.

[V2]
 Maniry izahay, Jeso !
 Ho zandry izay manoa,
 Ka dia ampaherezonao
 Ho tia Anao tokoa.
 Ry Jeso ô ! tahio izahay ..sns.

[V3]
 Indreto izahay, Jeso !
 Tariho hahalala
 Hanaraka ny sitrakao
 Izay Zokinao malala.
 Ry Jeso ô ! tahio izahay ..sns.</lyrics>
<title>Ry Jeso, Zoky be fitia FFPM761</title>
</song>